ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Niara-nivory ireo mpitondra rehetra eny ifotony

Notontosaina ny 11 martsa teo ny fivoriana indray mandeha isam-bolana ataon’ireo ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny boriborintany ary ireo sefom-pokontany. Marihina fa misy fokontany 18 ao main’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

« Izao no atao ahafahana manao tatitra sy handraisina toromarika amin’ny asa rehetra tanterahana eny ifotony. Isika ireo no voafidy hitondra fandrosoana eny ifotony » hoy ny ben’ny tanàna, Rajaonah Rija, nandritra ny fivoriana. « Nisongadina natritra izao fivoriana izao ny mahakasika ny fanatsarana ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy. Eo koa ny handraisana an-tanana ireo olona izay tsy manana karapanondrom-pirenena na manana fa tokony ho soloina. Tsy adino ny fanamafisana ny serasera eo amin’ny kaominana sy ny fokontany amin’ny fampitam-baovao, ny fandriampahalemana sy ny trangam-piaraha-monina samihafa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Tena ilaina tokoa ny fivoriana iraisan’ireo mpitondra eny ifotony tahaka izao. Miezaka hatrany manatratra ny tanjony ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Miara-miezaka ho amin’ny fampandrosoana ao anaty fahasamihafana » hoy ny teny filamatr’izy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire