Ambohimanambola : Nomena fampitaovana ireo tomponandraikitry ny toeram-pampitobiana fako, sit-pro 3
Tonga nanolotra fampitaovana ho an’ireo tomponandraikitra misahana ny toeram-pampitobiana fako, Sit-pro 3, ao amin’ny fokontany Ampahimanga, ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Ambohimanambola, notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana, tamin’ity herinandro ity.
« Tsy nanana trano fitoerana, fa tamin’ny trano sachet no nipetraka ireo mpivady mpikirakira ny fako eto amin’ny fokontany Ampahimanga ka nomena trano fonenana kely iray ahafahan’izy ireo manatanteraka ny asany ampitoniana » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tena ilaina ny fanohanana tahaka izao mba hankaherezana ireo mpisehatra amin’ity service ity. Tsy mora tokoa ny manao zavatra, indrindra ny fanentanana ny mponina hanaraka ny fandaminana isan-karazany, kanefa ny tomponandraikitry ny kaominina dia anisan’ny manao ezaka ho fampandehanana izany » hoy i Hanitra, mponina ao Ambohimanambola.
Tsara ny manamarika fa ireo olona ireo no manara-maso, manentana, mampianatra ireo mpanary fako ivelan’ny toerana ; izy ireo no tomponandraikitra voalohany amin’ny fahadiovan’ny toerana sy ny manodidina izanyary mikarakara sy mitsinjara ny fako ho azo amidy sy mamokatra zezika.
