Faritra Sambava : Zaza manana fahasembanana hatrany am-bohoka no ataon’ny ray aman-dreniny fitadiavam-bola
Miandrisoa Emmanot, teraka ny 06 oktobra 2021, monina ao Amborangy Amboangibe no nisy fahasembanana fony teraka. Bory ny tanany aman-tongony. Nanao fanambarana ireo ray aman-dreniny fa tsy vitany ny hamelona azy ka mitady olona tsara sitra-po handray an’i Emmanot.
Renim-pianakaviana iray no nikasa hitaiza azy taorian’izay, saingy nivadika tamin’ny fifanekena indray izy tamin’ny fotoana farany. Nanomboka teo no nitsirihan’ny eritreri-dratsy ka nataon’ireo ray aman-dreniny fitadiam-bola ilay zaza sembana. Ampadoavin’izy ireo vola izay olona maniry ny hijery ilay zaza.
« Adidy lehibe sy masina iandraiketana ary tsy maintsy ankatoavina ny fitaizana ireo taranaka fara aman-dimby. Tsy maintsy misy mandrakariva ny olana sedraina mandritra izany saingy tsy azo ekena ny milavo lefona, tsy maintsy hihoty ny vokatry ny fiaretana any aoriana any » hoy i Harison, raim-pianakaviana. « Inoana fa tsy fahaizana mankasitraka ny anjara no anton’izao fanapahan-kevitra izao fa tsy ny fahasahiranana velively, hany ka ilay zaza tsy mana-tsiny no voahilikilika » hoy i Harilalao, renim-pianakaviana. « Tsy sarotra ho an’ireo renim-pianakaviana intsony ny manary ny zanany ankehitriny, zary lasa fifaninana ratsy izany eto amin’ny firenena Malagasy. Mifanohitra tanteraka amin’ny fanajana ny zo maha olona izany ka tsy azo ekena na toy inona anefa no mety ho anton’izany, fanaterana ny zaza any amin’ny akany mpitaiza sahirana sy kamboty no vahaolana mendrika raha toa ka misy ny olana manoloana ny fameloman-janaka » hoy i Tamby, filoha mpitarika ny fikambanana miaro ny zon’ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona. Tranga izay mampahonena ny maro ny nahita ireo renim-pianakaviana izay minia manary ny zanany. Tsy azo ekena amin’ny sata maha olona izany na inona mety ho anton’izany, olombelona mana-tsaina afaka hitady vahaolana manoloana ny fahasahiranana mandalo ny ray aman-dreny.
Mirongatra tanteraka ny trangana herisetra atao amin’ny zaza, indrindra nanomboka tamin’ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana teto Madagasikara. Maro ireo renim-piankaviana mahavita manary ny zanany vokatry ny fahasahiranana lalovana ao an-tokantrano, misy mihitsy aza ireo mamarotra ny zanany.
Tsy fandriam-pahalemana, kolikoly izay anisan’ireo antony mampahantra ny firenena ka ireo mponina ihany no mizaka ny tandrevaky ny fitondrana. Tsy azo antenaina ny hisian’ny fampandrosoana raha toa ka mbola tsy mikapa eny ifotony ieo vahaolana omen’ireo mpiotondra. Hery iray hampiarina sy hanarina indray ny fahantran’ny firenena filaminan’ny fiainan’ny vahoaka ao aminy. Vesatra ho an’ny fianakaviana ve ny fananana zanaka sembana ?
Haingotiana Andriamihaja
