Alasora: Mpifoka sy mpivarotra zava-mahadomelina tratran’ny polisy nandritra ny fisafoana
Nidina nanao fisafoana teny amin’ireo elakelan-trano, tao Alasora ny polisy avy ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Olona maro tsy manara-dalàna no tratran’izy ireo nandritra izany, araka ny voalaza.
« Olona maro tsy manara-dalàna no tratran’ny polisy nandritra ny fisafoana natao teny an-toerana. Hita tamin’izany ireto andian’olona anelakelan-trano mifoka sy mivarotra rongony ka nandraisana fepetra avy hatrany » hoy ny avy amin’ny polisy Alasora.
« Efa ela niandrasana izao hetsika izao ny mponina. Hisaorana ny polisy amin’ny fandraisana andraikitra satria tena manimba fiaraha-monina, indrindra ny tanora ireo andian’olona ireo. Hirariana mba hitohy hatrany ny hetsika satria mbola maro ireo any amin’ny takotakona any » hoy i Christine, renim-pianakaviana.
Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana na ny opération Sarika, izay hifandrombonan’ny polisy maro be ity hetsika ity, raha ny fanazavana hatrany.
