ActualitésTatitra

Comores : Namoaka ny teti-bola hiatrehana ny JIOI 2023 ny nosy

Somary tara i Comores mihoatra ireo nosy hafa manoloana ny fiomanana amin’ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina. Na dia eo aza nefa izany fahatarana izany dia efa tafapetraka soa aman-tsara ny COJ (Commission d’Organisation locale des Jeux) ao an-toerana sy ny tetibola hiatrehana ny lalao aty Madagasikara amin’ny volana aogositra izao.

Nilaza kosa i Hilmy Aboud Saïd, sekretera jeneralin’ny Cosic fa efa hatramin’ny fiandohan’ny taona izy ireo no nanomana ny fiatrehana ny lalao. Efa misy ihany koa ny tetibola hanohanana ny fanomanana sy ny fandaminana ary ny fandraisan’anjaran’ny Team Comores amin’ny JIOI izay mitentina 806 000 euros hoy izy.

Raha ny teti-bolan’ny notsy tsirairay nivoaka ny 15 may teo dia i Mayotte no manana ny sanda ambony indrindra (2,4 tapitrisa euros), arahin’i Seychelles (2,7 tapitrisa euros), Madagasikara (1,8 tapitrisa euros ho an’ny fanomanana : vonjimaika), La Réunion (1,5 tapitrisa euros), Comores (806 000 euros), Maurice (506 000 euros ho an’ny fanomanana). Mbola tsy voafaritra kosa ny an’i Maldives.

Laisser un commentaire