ActualitésTatitra

La Réunion : Hisokatra ny taona ho avy izao ny toerana fijerena horonantsary vaovao ao an-toerana

Nametrahana toerana fijerena horonantsary vaovao antsoina hoe « Multiplexe Ciné Grand Sud » ao Pierrefonds ao Saint-Pierre. Nanomboka ny 9 jolay 2021 ny fananganana izany ary hisokatra ny volana aprily 2023 izao hoy ny talen’ny MauRéfilm, Yves Ethève.

Mamorona asa ho an’ny olona maherin’ny 40 eo io toerana fijerena horonantsary vaovao io raha ny fanamafisan’io tompon’andraikitra io. Olona maherin’ny 2000 kosa no zakan’ny toerana izay misy efitra am-polony sy toeram-pisakafoana roa.

Tombanana ho 26 tapitrisa euros kosa ny fandaniana tamin’ny fanamboarana io trano io. Rehefa misokatra ny toerana dia heverina fa afaka hamoaka horonantsary 250 isa isan-taona. Tanjona napetrakin’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fisokafan’ny toerana kosa ny fanomezana asa ireo olona niandraikitra ny fanaganana ny toerana.

Laisser un commentaire