ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Mitohy ny asa fanamboarana ny toeran-pitsaboana

Mitohy ny asa fanamboarana any toeram-pitsaboana CSB II ao amin’ny kaominina Talata Volonondry, amin’izao fotoana izao.  Tafiditra ao anatin’ny ezaka amin’ny famaliana ny filàn’ny mponina eo amin’ny lafin’ny fitsaboana izao fananganana izao, araka ny voalaza.

« Tafiditra ao anatin’ny zo fototra tokony hananan’ny olom-pirenena tsirairay ny hisitraka fitsaboana feno ary hananana toeram-pitsaboana manaraka ny fenitra. Rariny raha omena foto-drafitr’asa mifanaraka amin’izany ny mponina » hoy i Tiana, mpampianatra amin’ny ambaratonga faharoa.

« Mbola ao anatin’ny fananganana tanteraka ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Isaorana ireo nanome tan-tsoroka hatrany amin’ny fampandrosoana ary nanome tanana, nitondra anjara biriky tamin’ny fananganana ny foto-drafitr’asa, izay miasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

Zava-dehibe ary laharaham-pahamehana tokoa ny fametrahana toeram-pitsaboana ao amin’ny kaominina iray. Tahaka ireo foto-drafitr’asa mifamaly amin’ny fiainana andavan’andron’ny mponina, ny fananana toeram-pitsaboana manaraka ny fenitra ihany koa dia anisan’ny taratry ny fandrosoan’ny kaominina iray.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire