ActualitésTsidika

Marketing : Azo ampidiram-bola tsara ny nofinofy sy ny tetik’asa

Azo atao tsara ny mivelona ara-bola amin’ny alalan’ny tetik’asa iray tiana hotanterahina. Misy tokoa mantsy ny tanora te hanangana tetik’asa nefa tsy mahalala akory ny fidiram-bola ao amin’ny tetik’asany.

« Tsara raha harafitra mialohan’ny hanatanterahana ny tetik’asa iray ireo tombony ara-bola azo ao amin’ilay tetik’asa mba tsy handiso fanantenana antsika, tsara tokoa mantsy raha ao amin’ny sehatra tiana hivelarana no ahitana vola » hoy i Faly, mpampianatra no sady mpandraharaha. « Azo atao tsara ny mampidi-bola amin’alalan’ny tetik’asa iray ka ho hatoro mandritra ny Startup Weekend izany ny 12 hatramin’ny 14 novambra izao any amin’ny BTC Ambohimangakely, ka manentana antsika ho avy mandritra ny hetsika rehetra any an-toerana izay atolotra maimaim-poana avokoa » hoy i Diamondra, mpitantana sy mpikarakara ny hestika eny amin’ny BTC Ambohimangakely.

« Vitsy ny sampana mampianatra ny mikasika ny marketing maimaim-poana kanefa isaorana indrindra ny BTC mikarakara ny hetsika toy izany ho an’ny eto mbohimanagakely sy ny tanora hafa liana amin’izany » hoy ny avy aoa min’ny Kaominina Ambohimangakely. Azo avadika ho vola ny faniriana sy ny eritreritra ary ireo nofinofy, raha samy hiketrika izany daholo tokao mantsy isika dia handroso ny firenena ary ho foana tanteka ny tsy fisian’ny asa ka eo ireo tanora tsy haindry ny fanjakana hanolotra vola sy asa ho azy vao hihinana fa efa afaka mamelona ny tenany tsy maindry ny olon-kafa. Tokony ho araraotina ity GEW any Ambohimanagakely ity ny 8 hatramin’ny 14 novambra izoa handinihana bebe kokoa mikasika izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire