ActualitésTatitra

France : Lehilahy iray nanao herisetra ara nofo tamin’ny zanany 15 andro monja

Tsy eto Madagasikara ihany no ahitana trangana herisetra ara-nofo mampivaraontsana. Lehilahy 32 taona iray no nahavita nanolana ny zanany naterany vao 15 andro monja tao Vendée nohon’ny fialonana. Marihana fa tamin’ny taona 2019 dia efa voasambotra nohon’ny fakana horonantsary tovovavy nandro tao amin’ny « camping » tao Ile de Ré io lehilahy io.

Nanaporofo fa « pedophile » sy « zoophile » io lehilahy io ny sary hitan’ireo zandary tao amin’ny findainy. Naka sary azy nanesika ny filahiny tao ambavan-janany io lehilahy io ary nisy sary an’arivony hafa naneho ny maha « pédophile » azy nalaina tao amin’ny tranonkala ihany koa niaraka tamin’izany.

Nohelohin’ny fitsaran’i Assises de La Roche-sur-Yon, ao Vendée higadra mandritra ny 14 taona kosa io raim-pianakaviana io ary tsy manana fahefana amin’ilay zaza intsony.

Laisser un commentaire