Ambohimanambola : Hifantoka amin’ny fokontany Ampahimanga indray ny servisy Raoka fako
Hifantoka tanteraka amin’ny fokontany Ampahimanga indray ny servisy Raoka Fako amin’ity volana Desambra ity. Ao anaty vinan’ny ben’ny tanàna, mitantana ny kaominina Ambohimanambola ny fahadiovan’ny tanàna izay anisan’ny taratry ny fandrosoana. Ny Alatsinainy 11 Janoary 2024 no hanomboka hiasa ao amin’ny fokontany Ampahimanga ny ekipan’ny raoka, araka ny voalaza.
« Ny fokontany Ampahimanga no fokontany anisan’ny manana mponina betsaka indrindra no sady fokontany hivezivezen’ny olona maro. Tsara raha madio manomboka any an-tokantrano, eny amin’ny lalankely, sy ireo arabe rehetra i Ampahimanga” hoy ny mpitantana ny kaominina.
“Hisy ny hetsika maro samihafa ho atao ao amin’ny fokontany Ampahimanga entina hizarana ireo vaovao tsara ho fantatra mikasika ny servisy raoka. Ny 14-15-16-17 Desambra 2023 ho avy izao no hanaovana ny hetsika fanentanana. Hiroso amin’ny fametrahana ny SIT-PRO 3 ihany koa ny kaominina sy ny servisy Raoka » hoy hatrany ny fanazavana.
Taorian’ny fokontany Ambohimanambola gara, fokontany tanjonandriana dia ny fokontany Ampahimanga indray no fokontany hitaran’ny servisy Raoka fako ity. Marihana fa ny servisy raoka fako dia misy amin’ireo fokontany sokajy A na ireo fokontany manana taha-pamokarana fako ambony sy mponina betsaka. Ny fisokajiana ny fokontany amin’ny resaka fako dia manaraka ireo fepetra takian’ny fehezam-pitsipika kaominaly mikasika ny fahadiovana, fidiovana sy fikoloam-pahasalamana.
