ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Nisy ny fanentanana ho an’ireo olona manana olana ara-batana

Nanatanteraka fanentanana ho an’ireo olona manana olana ara-batana ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ireo fikambanana isan’ambaratongany, ny herinandro lasa teo. Nandritra izany no nanentanana sy nampahafantarana mahakasika ny fahakiviana sy ny fahaketrahana ara-tsaina eo amin’izy ireo.

“Olona manana fahasembanana miisa 100 no niatrika an’ity atrik’asa ity, nomban’ny akohonany avy, tamin’izany no namelabelarana ny atao hoe fahaketrahana aran-tsaina, sy ny fahakiviana ary ny fisorohana amin’izany sy ny fandraisana an-tanana ny olona tratran’ity olana ity” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Andaniny kosa, dia nisy ny toromarika nomena hoan’ireo olona trampahasembanana hahafahana mandray an-tanana azy ireo. Fa nifanindry an-dalana tamin’ity andro ity ihany koa ny fandraisana ny fanisana ireo Zaza tratran’ny fahasembanana eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana” hoy hatrany ny fanazavana.

Ny CBM moa nikarakara izany fanentanana izany, niaraka tamin’ny fikambanana ONG Merci ary ny PSY Kozy Madagasacar. Nitan-tsoroka ny fanatanterahana izany kosa ny kaominina Sabotsy Namehana.

Laisser un commentaire