Polytechnique: Mitokona indray ireo mpianatra eny Vontovorona
Manatanterana fitokonana indray ireo mpianatra eny amin’ny Toeram-pianarana Polytechnique Vontovorona. Zandary roa no naratra tamin’izany. Famerenana fangatahana nanaovana fitokonana farany teo izao hataon’izy ireo izao noho ny mbola tsy nandraisan’izy ireo ny valin’izany fangatahana izany.
« Mila havoaka ny vatsim-pianarana fa sahirana amin’izao fotoam-pahavaratra izao ny fianakaviana. Mila misakafo ihany koa izahay. Etsy andaniny dia tokony hatsaraina ny foto-drafitr’asa izay tena efa azo lazaina ho antitra. Ilay disjoncteur mitarika ny fahatapatahapan’ny jiro matetika ihany koa. Izany rehetra izany no tokony hositrahanay efa ela kanefa tsy mety azonay ka mahatonga anay miroso amin’ny fitokonana foana”, hoy ny fanazavana avy amin’ny solontenan’ireo mpianatra.
“Mitokona indray, dia manakorontana. Ny olana amin’ilay fitokonana dia tsy ny mpianatra irery ihany no victim fa ny olona manodidina ihany. Tsy misy azo atao afatsy ny miditra amin’ny fitokonana foana ve? Ny tompon’andraikitra ve tsy afaka mamaha olana mialoha? Inona no vahaolana tokony haroso amin’izany?, hoy i Julienne, mponina eny an-toerana naneho ny heviny.
Jerena ny fototry ny olana dia tokony izany no fongorina hatrany amin’ny fakany fa tsy hatao vahaolana “tip-top” ka afaka telo volana dia miverina miseho indray. Noraisin’ny Minisitrta izy ireo taorian’izany fitokanana izany ary nanolorana vahaolana sy nanambarana ny vahaolana amin’ny tsy maintsy hanamboarana ny simba rehetra ary ny fandoavana ny vatsim-pianarana izay manaraka ny lamina napetraka.
Miora Raharisolo
