ActualitésTsidika

Ankadinandriana: Mila fiaraha-miasa amin’ny kaominina Masindray ny fanamboarana ireo lalana simba

Anisan’ny mampitaraina ny mponina, indrindra fa ireo mpampiasa ny lalana mivezivezy, mampitohy an’Ankadinandriana amin’ny kaominina hafa ny faharatsian’ny lalana ao an-toerana, amin’izao fotoana izao. Mila fiaraha-miasa sy fandraisana andraikitra avy amin’ny kaominina Masindray ny fanarenana izany, raha ny voalaza.

 » Ireo kamiao mpitatitra fasika sy biriky na mpitondra entana no tena mampiasa ity lalana ity ary anisan’ny antony mahatonga ny fahasimbany izany. Ireo kamiao ireo anefa dia ny kaominina Masinandray no mandray an-tanana ny ristourne izay alohan’izy ireo ka tokony hiainga amin’izany ny tamberinandraikitra fanatsarana sy fanamboarana ny lalana » hoy i Onja, mpitatitra.

« Ny mpampiasa ny lalana dia tena mijaly vokatry ny faharatsian’ny lalana. Hangatahana amin’ny tomponandraikitra mba hijery ifotony sy hitondra fanatsarana fa anisan’ny miteraka fatiantoka na ho an’ny mpitatitra na ho an’ny mponina ny tsy fisian’ny lalana » hoy i Tatamo, mponina ao Ankadinandriana.

Ao anatin’ny tamberinandraikitra tokony hipaka amin’ny mponina ny fanamboaran-dalana na foto-drafitr’asa mifanaraka amin’ireo vola aloha eny amin’ny sehatra isan-tsokajiny eny. Mila fandraisana fepetra sy fijerena ifotony avy amin’ny tomponandraikitra araka izany, ny fahavoazana tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire