ActualitésTatitra

France : Renin-pianakaviana iray no nianjera avy teny amin’ny rihana faha-5 ny trano fonenany

Renin-pianakaviana iray manan-janaka telo no nianjera avy teny amin’ny rihana faha-5 ny trano fonenany. Tao amin’ny tananan’i Beaulieu ao Poitiers, Vienne no niseho ny tranga ny alatsinainy manodidina ny 9 ora maraina teo.

Avy teo amin’ny varavarankeliny no nianjera io vehivavy io. Rehefa tonga tao an-toerana ireo manam-pahefana dia efa ny vata-mangatsiakan’ity farany no novantanin’izy ireo. Nosamborina kosa ny vadin’io renim-pianakaviana io izay ahiahiana ninia nanosika azy avy teo amin’ilay varavarankely.

Eo am-palantanan’ny manam-pahefana io lehilahy 42 taona io amin’izao fotoana ary efa manomboka ny fanadihadiana.

Laisser un commentaire