Startup Weekend : Hamaha ny olana amin’ny famatsiam-bolan’ireo tetik’asan’ny tanora
Anisan’ny sakana lehibe ho an’ireo tanora te ho mpandraharaha ny tsy fisian’ny vola ho entiny manomboka ao amin’ny tetik’asany. Ao anefa ireo manana tetik’asa miavaka sy mahomby, saingy ny ho enti-manatanteraka azy no tsy misy. Inona no vahaolana ?
« Ny hevitra dia misy tokoa raha resaka tetik’asa, saingy tsy afaka ny hanohy raha tsy misy ny fahafahana, hany ka very maina foana ilay hevitra goavana » hoy i Vololona, tanora. « Afaka miainga amina 0 Ariary isika, saingy ny fahaizana mifandray sy mandresy lahatra an’ireo mpamatsy vola no tena ilaina » hoy i Aina, mpampianatra sady mpandraharaha.
« Tsy mahalala akory izahay hoe iza no afaka hamatsy vola, ohatran’ny ahoana ny atao raha mitady mpamatsy vola, ilay lalana ho aleha rehefa hitady vola mihitsy no tsy fantatray ka mila fitaritan-dalana izahay tanora » hoy i Rova, mpianatra te ho lasa mpandraharaha. Mila hampitomboina ny fampiofanana ny tanora mombany fitadiavana famatsiana ara-bola ho an’ireo tetik’asa ireo noho izany satria tokoa mantsy betsaka ny tanora manana tetik’asa saingy tsy manana vola.
Irariana mba ho betsaka ny tanora hoavy hanatrika ny « Startup Weekend » ny 12 hatramin’ny 14 novambra izao any Ambohimangakely izay hitadiavana mpamatsy vola izay tetik’asa entin’ny tanora mandritra io fotoana io.
Nicole Rafalimananjara
