ActualitésTsidika

Kaominina Andoharanofotsy : Nitokana ny EPP manara-penitra ny filoha

Fototra iorenan’ny fiainan’ny firenena ny lafiny fanabeazana. Mbola olàna lehibe eto amin-tsika ny  fisitrahana foto-drafitra mifanaraka amin’ny ilain’ny vahoaka. Nitokonana ny 16 martsa 2023 ny EPP manara-penitra Mahabo, kaominina Andoharanofotsy. Natrehan ‘ireo olom-panjakana teo an-toerana, solombavamboaka, ny Ben’ny tanàna ny hetsika.  Nilaza ny filoham-pirenena fa anisan’ny velirano faha-4 ao anatin’ny vinany ny lafiny fanabeazana. « Ny fanomezana fanampiana ny ankizy izao dia anisan’ny tanjona ho tratrarina indrindra fa ity resaka fampianarana ity. », hoy  ny Andry Rajoelina, Filoha ny Repoblikan’i Madagasikara.

Ny fanabeazana no fitaovam-piadina amin’ny fahantrana.Tsara hatrany raha  hasiana ny fananganana foto-drafitr’asa mba ahafahan’ny zaza manovo fahalalana. « Misaotra ny fitondram-panjakana nanao izao foto-drafit’asa izao….Mangataka koa izahay ny mba hanamboarana CEG , hanampiana ny efa eo mba hampitombo ny isan’ny mpianatra. », hoy i Rakotoarimanana Henintsoa, Ben’ny tanàna  an’Andoharanofotsy.

Betsaka ny hahazo tombotsoa amin’izao fisian’ny foto-drafitr’asa vaovao  izao. Rehefa  mahazo anefa dia tokony hahay hikolokolo tsara ny  tsirairay mba haharitra ny zavatra naorina. Ilaina ny fikojakojana ny toerana mba tsy haloto na ho simba. Manana anjara asa lehibe ao amin’ny kaominina araka izany , ny mpampianatra. Ny mpampianatra no hanabe ny ankizy amin’ny fikajiana ny toerana. Tsara ny manaja hatrany ireo fananam-bahoaka , mba hahafahan’ny taranaka any afara hisitraka izany koa.

Erwan RAN

Laisser un commentaire