ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Misy ny fanentanana ny mpianatra hamboly hazo fihinam-boa

Fikambanana iray no mitondra fanentanana eny anivon’ireo sekoly fanabeazana fototra (EPP) ny fambolena ny azo fihinam-boa eny amin’ireo sekoly ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova. Mampianatra sy manofana ary manome fahalalana ho an’ireo ankizy mpianatra izy ireo mandritra izany. Tamin’ity volana martsa ity, ny EPP Ambohimandroso no nahazo izany fampiofanana izany.

« Mizara roa ny fotoana hidinana eny amin’ireo mpianatra hanatanterahan’izy ireo  ny fambolena ny hazo fihinam-boa. Mandeha iray volana sy tapany mialoha ny fianaran’ny mpianatra manamboatra kaomposta tsikelikely hoenti-mamboly sy ny fanomanana tsara ny lavaka hambolena. Arahina fiofanana ara-tekinika maivana izany amin’ny andro fambolena » hoy ny avy ao amin’ny fikambanana.

« Misy ny fanomezana toro ireo mpianatra sy fanaraha-maso ny zavatra ataon’izy ireo, indrindra amin’ireo voly mila fikarakarana manokana. Ampianarina mihitsy araka izany ireo mpianatra mba ho tia karakara hahatafavoaka, hamokatra ary hamatsy legioma ho an’ny sekoly » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny zava-dehibe eo amin’ny famokarana ny endrika fampianarana tahaka izao, izay tena ilain’ny zaza malagasy tokoa. Ny sekoly izay toera-panovozam-pahalalana ka tsara raha ampiharina eny sy omena vahana ny fanofanana tahaka izao ho fandrosoan’ny tsirairay.

Manitra R.

Laisser un commentaire