ActualitésTsidika

IISS: Misahana ny mahaolona, ny toe-karena ary ny tontolo iainana ny ivontoerana.

Ivontoeram-pampianarana mbony manana ny maha izy azy ny Institut International de Sciences Sociales (IISS) izay efa nihorina nandritra ny sivy taona teto Madagasikara. Misehatra amin’ny fiainana maha olona sy ny fampandrosoana ny fampianarana ary eo ihany koa ny tontolo iainana. Ireo sampana telo ireo izay samy manana ny anjara toerany lehibe amin’ny fampandrosoana avokoa. Efa mandray mpianatra hatramin’ny Master ny ivontoeram-pampianarana ambony IISS amin’izao fotoana izao.

“Maro ireo sampana afaka hidirana raha handalina bebe kokoa ho an’ny taona fahaefatra na ny Master ny mpianatra. Tsy miala amin’ny sosialy sy ny toe-karena ary ny tontolo iainana izany. Mbola ireo sehatra dimy hatrany izany dia ny “mention communication et société”, ny “mention science économique”, ny « mention Management de Projet », ny « mention Gygiène, sécurité-environnement et Technologie » ary ny « mention Business Administration » Samy manana ny « parcours » mampiavaka azy tsirairay ireo sehatra dimy ireo », hoy ny avy ao amin’ny Ivontoeram-pampianarana ambony IISS.

Marihina fa mbola mitohy ny fisoratana anarana ho amin’ny fidirana ho Master raha liana amin’izany. “Mbola misokatra avokoa hatramin’ny rahampitso zoma ny fisoratana anarana hidirana Master amin’ireo parcours rehetra di any parcours “communication des entreprise, communication sociale, ny journalism. Eo ihany koa ny management de projet. Miaraka amin’izany ny mahakasika ny “finance”. Mbola misokatra ihany koa izany ho an’ny “ingenierie de projets de développement, ny “économie et statistique du développement” ary ny “hygiene et sécurité” sy ny “environnement et technologie”, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ireo tompon’andraikitra ny sekoly.

Zava-dehibe ny fampandrosoana, mbola maro ny sehatra afaka hidirana hahafahana manatratra izany tanjona izany. Amin’izao fotoana izao dia lakile no hatolotry ny IISS amin’izany izay manana vina mahakasika izany ihany koa. Marihina moa fa mpanohana ofisialy ny hetsika Startup Weekend Economie Sociale et Solidaire farany teo ny IISS izay anisan’ny hetsika iray natao hampandrosoana ihany koa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire