Seychelles : Nankafia ny vokatra tao an-toerana ny mpanjakan’i Suède
Miala sasatra ao amin’ny nosy Seychelles ny mpanjakan’i Suède, Carl Gustave XVI sy ny vadiny Sylvia amin’izao fotoana. Nandritra ny fitsidihan’izy ireo ny « distillerie » tao Takamaka, ao amin’ny nosy Mahé dia nanandrana vokatra maro izy ireo.
Isan’izany ny zava-pisotro antsoina hoe « Clos St André » izay nankafizin’ny mpanjaka manokana. Tsy mora nefa io vokatra io, an-jatony Euros ny vidin’ny iray tavoahangy amin’izany. Marihana fa tsy hita ao Suède io zava-pisotro io saingy hita ao Norvège kosa.
Voafetra ny famokarana ny « Clos St André », antony mahafalo vidy azy. 80 Euros ny 75 santilitatra aminy ao amin’ny nosy saingy miakatra izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miondrana ammin’ny firenena 42 isa eo mantsy io vokatra io.
