ActualitésTsidika

Levi’s : Mankalaza ny faha 150 taonany amin’ny alalan’ny fihenam-bidy

Ny taona 1853 no niforonan’ny orinasa Levi Strauss and Co, nafohezina sy nahazatra ny olona taty oariana tamin’ny marika Levi’s. Fomba maro no hankalazan’izy ireo ny faha 150 taonany. Ny vokatra Levi’s 501 no vokatra novokarin’ny orinasa voalohany indrindra. Zaitra tsotra ny paoziny tamin’izany, tsotra fotsiny ny didin’ny andilany ary mahitsy fotsiny ihany koa ny tongony.

Io vokatra io indirndra no ahitana fihenam-bidy amin’izao faha 150 taonan’ny orinasa izao. Maneran-tany dia misy tonga hatramin’ny 20% ny fihenana amin’io vidin’io vokatra tokana io. Na dia io aza no vokatra voalohany indrindra nahafanatarana ny orinasa dia mbola maro mpitia sy mpankafy izany. Tsy ambakan’izany ireo vokatra hafa sasany izay mbola mitana ny kalitao tsara hatrany saingy noho ity faha 150 taoana ity dia nomena laka manokana ny Levi’s 501.

Efa manana vokatra maro be ny orinasa fa anjaran’ny tsirairay no misafidy izay modely tiany sy mety amin’ny rafi-batany. Mila mailo ihany koa amin’ny ala tahaka ka tsy hahazo ilay tsara kalitao.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire