Sabotsy Namehana: Tokatrano iray voatery nalàna teo amin’ny taniny
Trangam-piaraha-monina iray no niseho tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, kaominina Sabotsy Namehana ny herinandro teo. Nalàna tamin’ny trano fonenany, izay efa nohajarian’ireo ray amandreny nandritra ny taona maro, ireo tompon’ny trano rehefa tonga ireo nilaza ho tompon’izany, araka ny voalaza.
» Misy ny rafitra mila arahana ary manamarina ny maha tompon-tany na tompon’ny trano iray ary ilay atao hoe Titre no ambony indrindra. Ka rehefa io no tsy hananana ka na nanazary ny tany an-taonany maro aza, dia zava-poana ihany ny filazana fa tompon’ny tany » hoy i Nancy, mpiasan’ny fananan-tany.
« Tsara hatrany ny manamarina sy mahafantatra tsara ny tany hipetrahana, hisorohana ny tranga tahaka izao. Eto amintsika na samy malagasy samy tompon-tany aza dia ilaina ny mafantatra sy mikarakara ny taratasin’ny tany » hoy i Haritiana, mponina ao Sabotsy Namehana
Marihina moa, fa efa nandritra ny 28 taona no nanajarian’ireo ity tany ity ary mazava ny taratasy hananan’izy ireo, raha ny voalaza hatrany. Mangataka ny fandraisana an-tanana avy amin’ny tomponandraikitra sy ny manam-pahefana moa ireo niharan’izany.
Manitra R
