Ambohimangakely : Nisy ny fampatsiahivana mahakasika ny zotra E
Nisy ny fampatsiahivana nataon’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny kaominina Ambohmangakely, omaly alatsinainy, mahakasika ny lalana sy ny tokony ho fampiasana ny zotra E izay miasa, mitatitra ireo mponina ao anatin’ny kaominina. Efa maro ireo nitaraina mahakasika ny fomba fiasan’ity zotra ity sy ny tsy fanajan’izy ireo ny mpandeha.
« Misy karazany ary mizara roa mazava tsara ny zotra E (Kofiatra sy Koloina). Ireo misy soratra « A » ny fiara dia mankany Alasora, ary ireo misy soratra « B » na « Z » kosa dia mankany amin’ny BAM na BEAL ». Hisy ny sazy ho an’ireo koperativa tsy manara-dalana” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Efa ela no niandrasana fanapahan-kevitra ho an’ireo zotra ireo, anisan’ny tsy manaja no mampijay ny mpandeha ireo. Hirariana mba hiova tokoa ny fomba fiasan’izy ireo » hoy i Tantely, mponina ao Ambohimangakely.
Anisan’ny entina hanatsarana ny fitaterana sy ny fomba fiasan’ireo mpitatitra ny fanaovana fampatsiahivana tahaka izao. Ilaina ihany koa ny toa izao mba hampahafantarana ireo mpandeha satria anisan’ny manary an-dalana ny tsy fahafantarana ny lalan’ny zotra izay andehanana.
Manitra Ramanantsoa
