Italie : Vehivavy telo maty voatsatoka antsy tao ny Patri ao Rome
Vehivavy roa nonina tao amin’ny trano (immeuble) iray tao Patri ao Rome no niara-hita faty ny herinandro lasa teo. Lehilahy monina ao amin’io trano io no niantso ny manam-pahefana rehefa nahita vehivavy iray niboridana nitsirara teo akaikin’ny varavarana.
Rehefa tonga tao an-toerana ny manam-pahefana dia nanazava fa mpivarotena io vehivavy hita io, manodidina ny 40 taona ary teratany sinoa. Rehefa nanao ny fanadihadiana izy ireo dia nahita mpivarotena iray hafa teratany sinoa ihany koa ary mbola manodidina ny 40, maty tao amin’io trano io. Samy nisy tsatok’antsy teo amin’ny lohany sy ny kibony avokoa izy roa ireo.
Iray ora taorian’ny tranga dia voaantso hijery ny trano iray tsy lavitr’io nisehoan’ny loza io indray ireo manam-pahefana. Vatam-pangatsiaka mpivarotena « transgenre », 65 taona ary teratany kolombianina indray no novantanin’izy ireo. Fantatra fa voatsatok’antsy ihany io niaran-doza farany io.
Isan’ireo tanàna mihaja indrindra ao Rome i Patri. Manihy ireo manam-pahefana fa « tueur en série » no nahavanona io loza io, ary ahiana nny mbola hitohizan’izany.
