Masindray : Nanamafy ny fiarahana ny ekipa Eco-foot
Nanamafy hatrany ny firaisan-kinany ny Ekipa avy ao amin’ny Eco-foot tany Masindray Avaradrano. Sehatra iray ho entina hampiroboroboana ny baolina kitra sy ny tontolo iainana ny Eco-foot.
« Natomboka tamin’ny fifaninanana baolina kitra ny hetsika na ho an’ireo zandry na ho an’ireo zoky. Izany dia nahafahana nanao tombana nandritra izay volana maromaro izay. Teo ihany koa fifampizarana mahakasika ny hetsika Eco entina hikajiana hatrany ny tontolo Iainana » hoy i Aina, isan’ireo mpitarika ny Ekipa. « Vao kely tokoa ny zaza dia mila ampahafantarina ny lanjan’ny fandrosoana. Kely dia hampadraisana anjara amin’ny fampivoarana ny firenena. Kely dia hampiainana sahady ny tontolo sahaza azy sy mendrika ho azy » hoy i Frederic, mpampianatra.
Nanamarihana ity hetsika ity ihany koa ny fanomezana ireo gourde mirakitra ny fihetsika mikajy tontolo iainana faharoa ho an’ireo zandry sy zoky rehetra. Isaorana sahady ny fanoloran-tenan’ny fikambanana mitarika ity hetsika ity. Hetsika toy izany no tena ilaina eto amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
