Zotra vaovao 147-Plus: Handalo amin’ny lalan’Ankadindratombo ny lalany
Zotra vaovao hiasa ao an-drenivohitra ny 147-plus, izay hampitohy an’ ny Sampanana Antsofinondry, Tsarasaotra, Alarobia, Ivandry, Ankorondrano, Antanimena, Ankadifotsy, Rasalama, Ampandrana, Ambanidia, Ambatoroka, Mandroseza, Ankadindratombo, Domaine, By-pass, Ankadimbahoaka ary hifarana any Tanjombato.
“Ny hanamora ny fitaterana sy ny fivezivezen’ny mpandeha no tanjona amin’ny famerahana izao zotra vaovao izao. Izy ity izay natao indrindra hanaraka ny fenitra ary hentitra ny koperativa amin’ny fanajan ny mpandeha sy ny fanasaziana ireo mpamily sy ny mpanampy azy raha misy ny tsy fanarahan-dalàna” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny koperativa FIMIA Plus.
“Raha ny zavatra hita aloha dia tena somary lavitra ny lalan’ny zotra. Rariny raha hentitra ny koperativa amin’ny fanajana ny mpandeha. Ny hirariana amin’izao mba hivoatra toa izao avokoa ireo zotra-pitaterana rehetra” hoy I Mahery, mpandeha fiara fitateram-bahoaka.
Hiasa tsy ho ela ity zotra ity raha ny voalazan’ireo tomponandraikitra hatrany. Amin’izao fotoana izao moa dia ny 70% ny tetik’asa no efa milamina.
Manitra Ramanantsoa
