ActualitésTatitra

Australie : Nivoaka ny fonja ilay vehivavy namono ny zanany efatra

Ny taona 2003 i Kathleen Folbigg no nahiditra am-ponja noho ny famonoany ny zanany efatra. Isany tantara nalaza indrindra tao Australie ity tranga ity nitondra ny lohanteny an-gazety nandritra ny fotoana naharitra tamin’ny anarana hoe « la pire tueuse en série d’Australie » io renim-pianakaviana io.

Raha tsiahivina dia noseporin’i Kathleen Folbigg avokoa ireo zanany 9 herinandro hatramin’ny 3 taona ireo saingy nandà izany ny tenany nandritra ny fitsarana zy ary nilaza fa maty noho ny antony voajanahary ireo zanany ireo. Rehefa nigadra nandritra ny 20 taona kosa i Kathleen Folbigg dia nahazo famelan-keloka nivoaka ny fonja.

Raha ny fanazavana dia siantifika am-polony tao Australie sy tany amin’ny firenen-kafa no nanaporofo ara-tsiansa fa maty noho ny « mutations génétiques rares » na « anomalies congénitales » tokoa no nahafaty ny zanak’i Kathleen Folbigg. Nanomboka ny taona 2021 ny fanadihadiana hanomezana fahafahana azy no natomboka ary nambaran’ny mpampanoa lalàna tao Nouvelle-Galles atsimo, Michael Daley ny herinandro lasa teo ny fanafahana azy.

Laisser un commentaire