Ankadikely Ilafy: Jiolahy iray lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary
Lavon’ny zandary avy ao amin’ny brigady Ankadikely ny lehilahy iray tamin’ireo olon-dratsy nihanika tamboho sy niditra tao an-tananan’olona tao Mangariviotra, fokontany Andafiavaratra, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly alatsinainy maraina. Nisy ny fifanenjehana sy fifandonana teo amin’ireo olon-dratsy sy jiolahy, araka ny voalaza.
“Antso an-telefonina azon’ny Zandary avy ao amin’ny brigade Ankadikely Ilafy, tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany maraina ny12 jona 2023 no nahafantarana fa misy jiolahy telolahy mihanika tamboho ary efa tafiditra anaty tanàna mihitsy ny roa amin’izy ireo” hoy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena.
“Nisy ny fifanjevona sy ny fifandonana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny an-toerana ka lavo tamin’izany ny jiolahy iray raha toa ka tafaporitsaka noho ny aizina kosa ny roa tamin’izy ireo” hoy hatrany ny fanazavana.
Manohy ny ezaka amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna hatrany ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena ao Ankadikely Ilafy. Etsy ankilany, mitohy ny fikarohana ireo jiolahy roa hafa. Manantena fiaraha-miasa amin’ny mponina moa ny mpitandro filaminana ao anatin’izany.
Manitra R.
