Ambohimalaza : Nitrangana fifandonana kodiaran-droa teny Imerikiasinina
Kodiaran-droa (moto) samy hafa marika no nifandona teny Imerikiasinina, Ambohimalaza, ny alatsinainy hariva teo. Araka ny voalaza, nanao taingim-be ny tamin’ny iray tamin’ireo moto ary tsy nisy nanao aro-loha.
« Nanao taingintelo tamin’ny moto RSZ izy ireo ary samy tsy nisy nanao aro-loha ka nifandona tamin’ny moto Jog pro. Ny roa tamin’ireo olona telo moa nitsoaka nandositra,ny iray kosa tavela teo. Samy naratra avokoa izy telo » hoy ireo nanatri-maso teo amin’ny manodidina.
« Tsara hatrany ny mailo eny an-dalana eny. Eny fa dia fety aza mila mitandrina, indrindra mba ho fiarovana ny tena sy ny hafa. Hanentanana ny rehetra hatrany satria ny aina tsy hananam-piry » hoy i Tsanta, mpitondra kodiaran-droa.
Zavatra hita sy tsikaritra nandritra ny andron’ny alatsinain’ny paska tokoa, ireo mpanao taigimbe amin’ny moto teny andalana teny. Ity tranga tao Imerikiasinina ity moa marihina fa moto indrana ary tsy mliamina ny taratasiny.
Manitra R.
