Dépêches

Faritra Fitovinany: Mitohy ny fizarana ireo fanampiana taorian’ny rivo-doza

Dépêche 12 avril, 11h, Mbola mitohy hatrany ny fizarana ireo fanampiana sy tohana ho an’ireo marefo any amin’ny faritra Fitovinany amin’izao fotoana izao. Mitohy tany amin’ny Kaominina Ikongo sy Ambolomadinika izany fizarana izany ka ireo fianakaviana sahirana tamin’ny fanadlovan’ny rivo-doza farany teo no notolorana izany. Sakafo toy ny vary, voamaina sy sardines ary fitaovana fidiovana isan-karazany no notlorana azy ireo. Tokantrano miisa 1 780 tao Ikongo sy 236 tao Ambolomadinika no nisitraka izany. Tsy ho ampy azy ireo mandrakizay anefa izany fanampiana lava izany fa tokony homena fampiofanana amin’ny fitadiavam-bola isan-karazany ihany koa izy ireo.

Laisser un commentaire