Fitaterana : Nasiam-panovana ny rafitra hitrandrahana sy hitantanana ny zotra FCE
Haverina tsikelikely ity zotram-pitaterana an-dalamby FCE ity ka nasiam-panovana araka izany ny rafitra hahafahana manatsara ny tolotra. Mizara roa araka izany ny rafitra izany dia ny mahakasika ny fanarenana sy ny fitantanana. Marihina fa efa miverina tsikelikely amin’ny asany ity zotra ity. Nomarihina tamin’ny fitaterana ireo mpitsangatsangana hatreo Sahambavy izany ny alatsinainin’ny Paka teo ary fahombiazana tanteraka ny hetsika.
« Efa mizotra amin’ny fampandehanana tsikelikely ny zotra ireo mpisehatra rehetra amin’izao fotoana izao. Nozaraina roa mazava ny rafitra hahafahana manolotra zavatra tsara hatrany. Komity fanarenana ny zotra an-dàlamby ny voalohany raha ny fitantanana iombonana ny FCE kosa ny faharoa. Efa samy miasa avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao », hoy ireo tompon’andraikitry ny zotra FCE izay tarihin’ny Minisitra COACH ny faritra Matsiatra Ambony, Rivotiana Jean Bosco.
Tsar any manamarika fa efa nandeha ny fiaran-dalamby izay tonga hatreo Manapatrana. Ity fomba fitaterana ity izay hany azon’ny olona any an-toerana azo ampiasaina noho ny faharatsian’ny lalana. Fomba fitaterana iray ihany koa hahafahana mamoaka ny vokatra avy ao amin’ny faritra. Amin’izao fotoana izao dia manomboka afa-pahasahiranana ireo mponina. “Izany antony lehibe izany no tsy maintsy hanaovana ho laharam-pahamehana ny fanarenana ity zotra FCE ity ao anaty fotoana fohy”, hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Ilaina ny karazana fitaterana isan-karazany izay mifanaraka amin’ny flàn’ny mponina sy ny manodidina azy. Noho izany dia zava-dehibe ny fanarenana ity zotra ity ho tombontsoan’ny ao anatin’ny faritra Matsiatra Ambony. Mbola azo hitrandrahana ny sehatry ny fizahantany ihany koa izany tolotra izany.
Miora Raharisolo
