Zo fototra hananan’ny mpisotro ronono.
Manomboka eo amin’ny faha-60 taona no afaka mandray fisondron-dronono ny mpiasa eto madagasikara. Ilaina ny fanohanana ara-tsosialy azy ireny hiatrehany ny fahanterany. Tokony hisitraka ny zo fototra mifanaraka amin’izany ny mpiasa iray rehefa tonga eo amin’io taona izy. Isam-bolana na isan-telovolana matetika no hizarana izany. Samy manana ny mpiandraikitra azy ireny moa na ny mpiasam-mpanjakana na tsy miankina. Fanta-daza manokana amin’ny izany ny eo anivon’ny Caisse Nationale de Prévoyance Sociale na ny CNaPS, izay mitsinjo tanteraka ireo mpiasa tsy miankina rehefa tonga aminny faha-60 taonany. Ny mpitahiry ny volam-panjakana kosa no mizara izany ho an’ireo mpiasam-panjakana. Misy moa ny daty apetrak’izy ireo amin’ny fisitrahana izany zo izany. Ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga manokana izao, manomboka ny alarobia 10 martsa ho avy izao ny fizarana. Arakaraky ny laharan’ny karatra araka izany no handaminana ny fizarana. Mila jerena manokana kosa anefa ireo efa zokiolona nohon’ny fahasahiranan’izy ireo manantona ny biraon’ny mpitahiry volam-panjakana. Ny fanatontoloana koa etsy ankilany efa mivoatra ihany ka tokony hararaotina izany mba hitsinjovana ny zokiolona. Misy amin’izy ireny mantsy no tena ao anatin’ny fijaliana vao tonga any amin’ny birao haka ny anjara volany. Tsy vitan’izany fa manampy trotraka ny filaharana maharitra ela rehefa tonga eny. Vahaolana ihany koa ny fizarana izany any amin’ireo banky sy ireo mpikirakira vola samihafa izay efa miroborobo be ankehitriny.
Fanilo Rarivoarilala
