ActualitésTsidika

Toliara : Jiro 96 no ho apetraka hanazava ny tanàna

Efa tonga any Toliara ireo jiro entina hanazavana ny tanàna. Anisan’ny misitraka izny ny fonja.

« 96 ny fitambaran’ireo jiro tonga ho entina hanazavana ny tanàna. Tsy ho diso anjara amin’izany ny fonja izay mampiantrano ireto fitaovana ireto. 4 no anjaran’ny fonja » hoy ny governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, Dr Tovondrainy Ranoelson Edally. « Izahay no hiantoka ny fampandehanana ireto fitaovana vao tonga ireto. Mitsinjo hatrany ny mponina eny ifotony ny orinasa » hoy ny avy ao amin’ny Orinasa Jirama.

Hanampy betsaka amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny fisian’ireto jiro fanazavana ireto. Ny alina tokoa mantsy no manjaka ny ratsy, ary isan’ny hampihena izany tsy filaminana amin’ny alina izany ireto fitaovana ireto.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire