Responsabilité Sociétale des Entreprises : Tokony hanana izany daholo ny orinasa rehetra
Tsara ny manamarika fa ireo orinasa maro maneran-tany izay mandray anjara amin’ny fanimbana tontolo iaianana goavan dia manana adidy hanonitra izany amin’ny olombelona rehetra. Fifanarahana nataon’ny filankevitra Eropeanina izy io. Fandraisan’ny orinasa rehetra najara amin’ny fampandrosoana maharitra ny faritra misy azy ny RSE, na izany fampandrosoana ara-tsosialy na izany fampandrosoana ara-tontolo iainana.
Miseho amin’ny endrika maro samihafa ny RSE, fiarovana ny tontolo iainana, fampanajana ny zon’olombelona, fampandrosoana ifotony sy ny maro hafa. Tanjona tokana anefa no tian’ireo oriansa isan-karazany tratrariona ao anatin’izany dia ny mba hampandroso ny firenena hiasany, indrindra indrindra hampandroso ny isam-batan’olona.
Ireo orinasa rehetra mandray anjara amin’ny fahasimban’ny tontolo iainan’ny olombelona rehetra dia tokony hanatanteraka ny RSE. Tsy mifidy izy io na ho an’ireo orinasa madinika na ireo orinasa vaventy. Ny fanimbana ny tontolo iaiana izay mety hiseho amin’ny endrika mivantana na ankolaka. Raha ny eto Madagasikara izao dia ny mahakasika ny fampianarna sy ny fiarovana ny tontolo iainana no himasoan’ireo orinasa maro isan-karzany toy ny orinasa Ambatovy izay manangana trano fianarana ho an’ny mpianatra any amin’ny teorana hiasany. Anisan’izany ihany koa ny vondrona « Sodiat » izay mamboly hazo maro isan-taon ho an’ny tontolo iainana.
Ny olombelona rehetra ka miaiana anaty toerana iray misy orinasa dia tokony hisitraka ny RSE avokoa ka manan-jo noho izany ny olompirenena hitaky ny zony amin’ireo orinasa izay heveriny tsy manana ny RSE izay tokony hositrahany. Etsy ankilany anefa, ny mpiasa amina orinasa ihany koa dia tokony manao izany RSE izany. Manana andraikitra daholo noho izany ny olona rehetra amin’ny fampandrosoana ka tsy tokony hiandry ny orinasa vao hisitraka izany fa miainga amin’ny fahatsapan-tena izany.
Miora Raharisolo
