Ankadikely Ilafy : Nitohy tamin’ny asa fanadiovana ireo tata-drano ny kaominina
Nitohy tamin’ny fanadiovana ireo tata-drano izay manamorona ny lalam-pirenena fahatelo sy tamin’ireo toerana hafa ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ireo tomponandraikitra misahana ny fanadiovana ao an-toerana, izay tarihin’ny fiadidin’ny kaominina, ny faran’ny herinandro teo.
« Ho fisorohana ny ho mety fahavoazana sy ny fahasimban’ny lalana ary ho fitsinjovana ireo mpampiasa ny foto-drafitr’asa no nanaovan’ny kaominina vaindohan-draharaha ny fikojakojana ny fananana iombonana toy izao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Tsara hatrany ny manentana ny mponina amin’ny fikajiana ny fahadiovana. Indrindra ny tsy tokony handefasana ny fako ao anaty tatatra. Anisan’ny manentsina ny fako vetivety ny fandefasana fako na rano misy ventiny anaty tatatra » hoy i Hery, tompon’andraikitra misahana ny fahadiovana.
Mbola ao anatin’ny fanatanterahana ny ezaka fanentanana ny mponina amin’ny fanadiovana sy fidiovana ny kaominina Ankadikely Ilafy, amin’izao fotoana izao. Ilaina ny fiaraha-mientana ary samy tomponandraikitra ny olom-pirenena tsirairay avy amin’ny fikajiana ny fahadiovana, indrindra, tokony ho samy sarotiny amin’ny fanajana ny fahadiovana izay ary samy hahafehy tena tsy hanary fako eny rehetra eny.
Manitra Ramanantsoa
