ActualitésTsidika

Ihorombe : Nisitraka fitaovam-pamokarana ireo tantsaha mpamokatra 

Vondron’ny tantsaha mpamokatra miisa 8 ao anatin’ny faritra Ihorombe no nisitraka fanampiana ara-pitaovam-pamokarana sy famatsiana biby fiompy Izany dia mba ahafahan’izy ireo mampivelatra sy mampiroborobo ny sehatra fiompiana izay efa niveloman’izy ireo teo aloha.

« Anisan’ny tena miavaka tao anatin’ny fanampiana ny fanomezana ondry miisa 258, omby vavy be ronono miisa 2, sy kibôta miisa 2,. Hinoana fa efa manampy betsaka azy ireo handroso hatrany izany » hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana. « Misy mpamokatra miisa 165 ato amin’ireto vondrona nahazo fanampiana ireto. Hanatsarana ny seha-piharian’izy ireo ho fandraisana anjara amin’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo no tena tanjona » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny prosperer.

Tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa « Fonds de Développement Agricole » (FDA), ao amin’ny minisitera ary vatsian’ny FIDA vola, no nahafahana nanatanteraka ny hetsika. Endrika mivaingana amin’ny fanohizan’ny FDA ireo andrikitry ny PROSPERER izao, izay misahana ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire