Ambohimanambola : Nanohana ireo ankizy ao amin’ny klioban’ny NCAA ny ray aman-dreny
Nanolotra fanampiana ny ankizy avy ao amin’ny sekolim-panatanjahantena NCAA (Ecole des sports, National Club Académie Ambohimanambola) ao Ambohimanambola ireo ray aman-dreny ao anatin’izany. Anisan’ny hery lehibe ho an’ny klioba ny fanampiana tahaka izany, araka ny voalaza, ary manohana azy ireo, indrindra ireo ankizy mpikambana, amin’ny fampianarana sy fitiavana ny fanatanjahantena.
« Anisan’ny fanohanana lehibe nataon’ireo ray amandreny dia ny fandefasany ny zanany ho taizana ao anatin’ny sekoly. Tsy voatery ara-bola ihany na ara-pitaovana be dia be vao hatao hoe manohana fa na dia ny kely voarambin’ny tanana, fitaovana hanaovan’ny ankizy fanazaran-tena dia efa zava-dehibe » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly.
« Ny NCAA dia misokatra ho an’ny ankizy rehetra. Anisan’ny mamoaka ankizy matihanina amin’ny resaka fanatanjahan-tena izy eto Avaradrano, ary efa maro ireo ankizy tafita eo amin’ny fanatanjahan-tena toa ny baolina kitra sy ny taranja basket » hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Anisan’ny miataiza sy mikolo ny ankizy, na eo amin’ny lafiny ara-batana na ara-tsaina (ara-moraly) na ara-piaraha-monina ny fanatanjahan-tena. Tsara tokoa raha mbola kely izy dia efa ampidirina amin’ny sekoly na klioba misahana izany. Mitondra fiovana eo amin’ny fijeriny enti-miatrika ny fiainany ny fanaovana fanatanjahan-tena.
Manitra Ramanantsoa
