Ambatomainty Ambatomanjaka: Zaza 12 taona nanala fanadinana CEPE no hita faty
Araka ,ny loharonom-baovao dia nivoaka ny 24 Jona lasa teo ny valim-panadinana CEPE tao Ambatomainty Ambatomanjaka ka taorian’izay no nisian’ity tranga ity. Ankizy iray 12 taona nanala CEPE no hita faty nihantona taorian’ny nivoahan’ny valim-panadinana. Kambana ity zazalahy kely ity ka ilay rahalahiny kambana aminy afaka fa izy kosa tsy afa-panadinana.
Nanambara ny tompon’andraikitra avy amin’ny sekoly nihavian’izy ireo fa tsy azo lavina ny dona ara-tsaina nahazo azy taorian’ny fahitany ny voka-panadinana ka mety ho nahatonga izao tranga izao.
“Miheritreritra mihitsy izahay fa famoizam-po vokatry ny tsy fahafahany no nahatonga azy nanao izao. Tsy manana olona ahihiana ihany koa izahay fa karazan’ny namono tena ny fahitanay azy nihantona irery teo iny.”hoy i Zoly renim-pianakaviana mpiara monina ao an-toerana.
Manoloana izany dia manao fanadihadiana ireo manam-pahefana any an-toerana mba ahafantarana ny tena antony nahatonaga ny fahafatesan’ity zazalahy ity.
Miranto Andrih
