Bazary Kely : Tamana avokoa ireo mpanjifa tonga ao an-toerana
Toerana kely somary misitaka ny renivohitra, manamorona ny lalam-pirenena faharoa no misy ny Bazary kely. Toerana fisakafoanana, fantatra amin’ny fahatsaran’ny pizza sy ny pâtes ao aminy izy. Ireo mpanjifa efa mpankao dia afa-po ary tamana avokoa.
« Efa an-taonany maro no nisokafan’ny Bazary Kely. Tany amin’ny taona 2019 tany ho any. Anisan’ny mampiavaka ny eto an-toerana ny sakafo karakararinay. Araka ny famaritana mahalaza azy hoe “street food” dia tena mahasarika olona ny toerana. Misy ireo avy any an-tanilavitra no tonga eto an-toerana hisakafo fotsiny. Eo ihany koa ny fiavahany amin’ireo hotely hafa satria manana toerana malalaka sy artisitika ny Bazary kely, afaka hakana fy tsara » hoy i Chef Ndtasana, tompon’andraikitra ao an-toerana.
« Tena tsara ny sakafo ato amin’ny Bazary kely ary izay no anisan’ny mahatamana anay mankato. Ny kalitao sy ny tsiro tena hafa tsy mitovy amin’ireo mahazatra. Eo ihany koa ny endriky ny toerana sy ny haingo, manome lanja ny kanto. Manana famakiam-boky ihany koa izy ireo ka tena mahafinaritra » hoy i Dina, mpanjifa ao amin’ny Bazary kely.
Niavaka kely moa ny Bazary kely amin’izao fotoana satria ankoatra ny maha toeram-pisakafoanana azy dia misy ihany koa ny fikarakarana tao-volo sy multiservices eo anilany. Ao Ambohimangakely, anelanelan’ny Gallodrome sy ny Jovena double moa no ahitana ny Bazary Kely. Karazan-tsakafo maro no hita ao an-toerana ary mahafa-po avokoa. Tsy mihendanja amin’izany ihany koa ny fandraisana.
Afaka tsidihina ny pejy facebook https://web.facebook.com/BazaryKely
Manitra R.
Manitra R.
