SocialTsidika

Jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana teo Anosy

Lehilahy avy namaky trano no nifanehatra tamin’ny polisy ny alahady tokony tamin’ny 03 ora maraina teo teny amoron’Anosy. « Telo lahy izy ireo no niaraka saingy tafatsoaka ny roa » hoy ny polisy nisahana ny raharaha. Nandritra ny fanadihadiana kosa no nahalalana fa avy namaky trano teny Ambohimanarina izy ireo ny alin’ny asabotsy hifoha alahady izao tratra izao.

« Fahitalavitra écran plat 01, Jeux PS2 01 sy manette 03, Subwoofer 01 miampy baffle 01, fiara kely kilalao azo taingenana 01, montre murale 02, rideaux 03, noyeu moto 01, barre à mine 01 » no entana halatra tratra tany amin’ity lehilahy ity. Rah any filazan’ireo olona mahafantatra azy dia tsy manan-kialofana ity lehilahy ity, « efa noraisin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra an-tànana ny fiahiana ara-tsosialy saingy ny bodofotsy sy kidoro tao amin’ny fametrahana entana indray no nangalariny » hoy ny renim-pianakaviana iray niara nisitraka io fiahiana io taminy. Tamin’ity indray mitoraka ity izany dia tsy afa-niala intsony ny tenany ary efa eny amin’ny mpanao famotorana ny tenany ankehitriny.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire