Nisy ny fanaovan-tatitra nataon’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
Isaky ny alatsinainy dia efa fahazaran’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny manantanteraka ny fananganan-tsaina. « Sady fanandratana ny firenena no fanomezan-kasiny ny asa atao ho an’ny firenena ny fananganan-tsaina » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
« Mandritra io fananganan-tsaina ataonay isaky ny alatsinainy io dia misy ny fanaovana ny tatitra ny zava-bita nandritra ny herinandro sy ireo kinasa ho amin’ny herinandro manaraka » hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavan’ny fampiroboroboana ny fahasalamana izay nanatanteraka ny fanaovan-tatitra ny alatsinainy 19 jolay lasa teo. Nivantana tao amin’ny fandaharana Feon’ny fahasalamana ao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy 99.2 mhz ny tatitra. Tamin’izany no nampahafantarana fa natokana hiadiana amin’ny homamiadana ireo lohahevitra hovoizina amin’ ity herinandro ity.
Nanambara ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Rakotovao Hanitrala Jean-Louis fa hanafaingana hatrany ny fomba fiasa ny eto anivon’ny Minisitera tantanany. Nambara nandritra izany ihany koa fa mbola mitohy ny ady amin’ny tazomoka, ary efa maro ireo Distrika izay nisitraka ireo lay misy odimoka maharitra. Mbola betsaka ny asa miandry ny Ministera indrindra manoloana izao ady amin’ny Covid-19.
