ActualitésTsidika

Fandrindrana ataon’ny Jirama ny fananganana ny Optima

Mikolay amin’ny resaka vidin-jiro amin’ny Jirama ny ankamaroan’ny mpanjifany. « Ny fiainana efa sarotra, iaraha-mahita izao hamehana ara-pahasalamana izay mampikatso ny fidiram-bolan’ny maro an’isa izao, kanefa toa manampy trotraka ny fahasahiranana ihany koa ny vidin-jiro », hoy i Fanja, renim-pianakaviana mipetraka any Mahajanga.

Efa henonay ny fitarainanareo mpanjifa ka hiezaka hamaha izany amin’ny alalan’ny Optima izahay » hoy ny avy ao amin’ny Jirama. Ny Optima dia fanavaozana sy fandrindrana ny vidin-jiro ho amin’ny tombotsoan’ny maro an’isa raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Jirama. Maherin’ny 90% amin’ny mpanjifa manerana ny Nosy arak’izany no hidina ny faktiorany amin’ny fandaniana mitovy ao anatin’ity Optima ity, hoy ny avy ao amin’ny Jirama.

Manomboka eto dia hitovy avokoa ny vidin’ny Kwh eto Madagasikara fa tsy hisy hanatombo intsony. Toa ny tao Mahajanga izay nampikaikaika ny vahoaka mihitsy ny resaka vidin-jiro izay lafo dia lafo teo aloha ary ankehitriny dia voavaha ny olana hoy ny Filoha Lefitra miasa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ho an’ny Faritanin’i Mahajanga, Rahantanirina Lalao. Azo lazaina fa hamaha ny olan’ny mponina amin’ny jiro tokoa ve anefa izao fanovana eo anivon’ny orinasa Jirama izao amin’ny resaka vidin-jiro ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire