Toliara : Maty voatifitra ny vadin’ny mpitarika ny TIM ao Toliara
Maty notifirin’ny andian’olona tao amin’ny trano fonenany i Dokotera Jean Louis izay vadin’i Elisoa filoha mpitarika ny TIM ao Toliara. Nisy andian-jiolahy teo amin’ny valo teo alina nanafika ny trano fonenany tao amin’ny Espace El’Inn.
« Tsy nisy ny entana very fa ny fifofoana ny aiko no nokendren’ireo olon-dratsy » hoy i Maitre Elisoa. « Manameloka tanteraka izany habibiana izany aho ary miantso ireo tompon’andraiki-panjakana handray ny andraikiny tandrifiny azy avy. Lonilony sy sotasota fotsiny ny tena ambadik’izao » hoy i Maitre Hanitra avy ao amin’ny antoko mpanohitra. « Efa nisy fampitahorana natao azy amin’ny maha-mpitarika azy nandritra ny « redynamisation » ny Antoko Tiako Madagasikara natao tamin’ny herinandro lasa iny. Tsy hangalatra no tena anton-dian’ireo jiolahy fa hamono olona fotsiny amin’izao » hoy ny avy ao amin’ny Antoko mpanohitra.
Mampiahiahy ny tranga tahaka izao. Iza no tompon’antoka ? Inona no tena anton’ny fanafihana mitam-piadiana ?
Nicole Rafalimananjara
