Analamanga : Mitohy ny asa fanamboaran-dala ataon’ny faritra
Miasa ho antsika ny faritra Analamanga. Ny faran’ny herinandro teo, mbola nanohy ny asa fanamboaran-dalana ary nanampiana ireo lalana tena nahitana lavadavaka teto amin’ny faritra Analamanga izy ireo, araka ny voalaza.
« Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny faritra Analamanga amin’ny fanarenana ireo lalana tena ahitana fahasimbana. Io fanamboaran-dalana io anefa izay tsara marihina fa misy ny fifampizarana andraikitra eo amin’ny ministeran’ny asa vaventy sy ny kaominina ary ny faritra amin’ny fanamboarana ireo lalana eto Antananarivo » hoy ny avy amin’ny Faritra Analamanga.
« Maro be ireo lalana tena tsy voakitiky ny fanamboarana raha ny eto an-drenivohitra. Tena anisan’ny mampijaly ny mpampiasa lalana no miteraka fati-antoka. Mila ezaka be sy fandraisana andraikitra anefa ireo tomponandraikitra satria hiankinan’ny andavan’andron’ny vahoaka » hoy i Onja, mpamily.
Ny avy eo amin’ny faritra Analamanga moa dia miezaka hatrany mitondra fanamboarana ny lalana, indrindra eny amin’ireo tena ahitana fahasimbana. Tsy mbola ampy anefa izany raha ny habetsaky ny lalana simba eto an-drenivohitra no jerena.
Manitra R.
