ActualitésTatitra

Comores : Mpanao gazety efatra no nidoboka am-ponja

Enjehin’ny fitsarana noho ny fanalam-baraka (diffamation) ny filohan’ny vondrona iraisam-pirenenan’ny gazety francophone, ny talen’ny fampahalalam-baovaon’ny onjam-peo sy ny fahitalavitra ao Comores : ORTC, ny solontenan’ny RFI izay mpanao gazety ny Alwatwan ihany koa ary ny mpanao gazety ny Gazette des Comores.

Voaheloka higadra herintaona izy ireo, izay sazy mihatra ny 3 volana ireo mpanao gazety ireo ary tsy mahazo manao ny asany mandritra izany herintaona izany. Raha tsiahivina kosa ny anton’izao fisamborana izao dia fitoroana olona ambony ireo nanao herisetra ara-nofo tamin’ny vehivavy mpanao gazety maromaro.

Marihina fa tsy nisy anarana voatonona tao anatin’izany ka nilaza ny SNJC (Syndicat National des Journalistes des Comores) fa rehefa tsy nisy ny anarana dia tsy tokony nisy ny fanamelohana fanalam-baraka. Ho an’izy ireo dia entina hanembatsembanana ireo mpanao gazety tsy hanao ny asany izao tranga io.

Laisser un commentaire