ActualitésTsidika

Famonjana: Hatsaraina ny fepetran’ny fiainan’ny voafonja eto Madagasikara

Hatsaraina ny fomba fiainan’ireo voafonja rehetra eto Madagasikara. Zary tsy misy miraharaha matetika ny zon’ireo voafonja na dia voarresaka matetika aza. Hisy ny fepetra vaovao horaisina hahafahana manatsara izany fomba fiaiana’ireo voafonja izany. Tetik’asa avy amin’ny fikambanana Humanité et Inclusion sy ny Institut Pasteur de Madagascar no hanatanterahana izany tetik’asa izany.

“Taorian’ny fivoriana indroa miantaona izay notanterahan’ny roa tonta dia nitsiry ny hevitra ny hanangana plateforme hahafahana mamaha izany olana izany. Hiara-miasa avokoa ireo mpisehatra rehetra manodidina ny fanagadrana olona nanatrika ireo atrikasa ireo. Izany, mba hahafahana manao serasera mivelatra hampahomby ny asa izay hatao mahakasika ny famapanajana ny zon’ireo voafonja ireo”, hoy ny avy ao amin’ny Humanité et Inclusion.

“Tena mila jerena mihitsy ny mahakasika ny ireo voafonja ireo, indrindra ny mahakasika ny maha-olona satria tsy misitraka izany izy ireo ao anatiny ao. Etsy an-daniny anefa tokony hojerena ihany koa ny mahakasika ireo voafonja tsy amin’ny antony sy endrikendrika satria izy ireny no tena mijaly matetika indrindra fa ny ara-tsaina”, hoy I Marine, fianakaviana olona voafonja.

Mihodinkodina eo amin’ny fahazoana fahasalamana, fahadiovana, rano, fidiovana (AEH) ary fanarenana ara-tsosialy ny filana vonjy maika ho an’ireo voafonja. Betsaka tokoa ny olana sedrain’ireo voafonja sy ireo mpandraharaha ny fonja. Ity toe-javatra ity dia tsy mamela ny fanajana mahomby ny zon’olombelona voafonja izay tena tokony hiadiana mafy. Miaraka amin’izany dia nanolotra lela-vola mitentina 5tapitrisa euro ny AFD hanohanana ny fonja rehetra manerana ny Nosy. Anisan’ny asa tokony ho laharam-pahamehana ihany koa ny fanarenana sy fanalehibeazana ny fonja rehetra hahafahan’ireo voafonja hiaina malalaka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire