France : Mpitaiza zaza iray no tratra nanao herisetra tamin’ny zaza 2 taona
Ray aman-dreny iray monina ao La Tour-du-Pin ao Isère no nahatsikaritra tao anatin’ny herinandro vitsivitsy fa niova ny fihetsikin’ny zanak’izy ireo roa taona monja. Lasa tsy nisakafo firy sy tsy nilalao firy intsony ilay zaza. Nahitana rangotra sy mangana ihany koa ny vatany.
Nitodika avy hatrany tany amin’ny mpitaiza ny zaza ny sain’ireo ray aman-dreny ka nametrahan’izy ireo fandraisam-peo tao amin’ny « peluche » ilay zazavavy kely nanamarinana ny zava-nisy. Voamarina tokoa ny ahiahin’ireo ray aman-drenin’ny zaza. Re tao anatin’ny fandraisam-peo ilay mpitaiza zaza mananjera ilay zaza 2 taona amin’ny tany sy eo ambonin’ny seza. Re mihika ihany kosa ilay zaza raha re manambanimbany azy ilay mpitaiza.
Manoloana ny tranga dia nosamborina ilay mpitaiza ary handalo eo alohan’ny fitsarana ny 19 jona izao. Mandrapaha tongan’izany dia tsy mahazo mifanerasera amin’ny zaza io vehivavy io.
