ConseilTsidika

Aire du Bypass : Sady toeram-pisakafoanana no mandray lanonana samihafa ihany koa

Eny amin’ny lalana manamoronona ny Bypass eny no ahitana ny Aire du Bypass. Anisan’ny toerana fisakafoanana miavaka sy manintona ny maso amin’iny lalana iny ity toerana iray ity. Ankoatra ny maha toeram-pisakafoanana azy, dia mandray sy azo hanatanterahana kazarana lanonana soa aman-tsara ihany koa izy, tahaka ny cabaret, sns.

« Maro ireo service misy ato amin’ny Aire du Bypass. Hatramin’ny fotoana nisokafany izay dia niezaka nanano ny tsara ho an’ny mpanjifa hatrany izahay, indrindra fa ireo efa zatra ato aminay. Na eo amin’ny kalitaon’ny sakafo izany, na ny tsiro, na ny service isan-karazany dia amin’ilay mahafa-po sy andrasan’ny maro hatrany no ezahana atolotra sy hatsaraina » hoy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.

« Anisan’ny mahafinaritra ity toerana ity, na eo amin’ny fikarakarana ny mpanjifa na eo amin’ny sakafo sy ny tsiro, na eo amin’ny fandraisana dia tena mahafapo avokoa. Izay no tena mahatamana ato. Eo ihany koa ny fanentanana rehefa te hiala voly dia tena mahafa-po ato amin’ny Aire du Bypass » hoy i Mitia, mpanjifa ao amin’ny Aire du Bypass.

Anisan’ny toerana manintona olona ny Aire du Bypass. Ho an’ireo mitady fialam-boly na tia miaraka amin’ireo tapaka sy namana rehefa zoma, anisan’ny manolotra hetsika na tolotra manokana ho an’ireo mpanjifa ity toerana ity.

Afaka tsidihina ny pejy facebook https://web.facebook.com/airdubypass

Manitra R.

Laisser un commentaire