Fidianana : Nihemotra ny fanombohan’ny fanisana ireo mpifidy
Dépêche 28 octobre, 14h, Noho ny olana ara-teknika madinika dia nihemotra ny fanombohan’ny fanisana mpifidy manerana ny nosy raha novinavinaina hatomboka ny 1 oktobra teo. Ireo lisi-pifidianana ho fenoina sy ireo fitaovana samihafa ampiasaina no mbola tsy tonga ka nampihemotra izany. Tombanana hanomboka ny fiandohan’ny volana novambra io ny fanisana ireo mpifidy, ary entanina ny olompirenena rehetra ampy taona hanao izany.
