Fandriam-pahalemana : Tratran’ireo Polisy mpanao fisafoana amin’ny alina ny moto racing king iray vao avy nangalarina
Dépêche 28 octobre, 15h, Ao anatin’ny fomba fiasan’ny Polisim-pirenena ny manao ny fisafoana mandeha tongotra amin’ny alina mba hitandroana ny fandriam-pahalemana. Tra-tehaka teny Namontana noho izany ity moto « racing king » iray vao avy nangalarina ity. Tovolahy efatra efa somary kaodikaody no nahatrarana izany ka vantany vao nahatazana ireto Polisy izy ireo dia nandositra, navelan’izy ireo teo kosa ilay moto izay efa ahitana fahasimbana ny fampidirana ny lakile sy ny hidiny. Na manao ny asany aza ny mpitandro ny filaminana dia ilaina hatrany ny fahamailoan’ny isan-tokantrano.
