Manapatrana: Lehilahy teratany indiana iray lasan’ny rano
13 Janoary, 10h00. Lehilahy iray teratany indianina monina ao Antsakaviro Antananarivo no natelin’ny ranon’i Manapatrana ny alarobia 12 janoary teo tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany folakandro. Lehilahy 03 izy ireo no niainga avy tany Vangaindrano ary niaraka nilomano saingy lasan’ny rano tampoka ny iray tamin’izy ireo. Efa nanmpandrenesina kosa ny fiankaviany ary efa mikaroka azy ireo zandary.
